Ny tanjonay dia ny hanatsara ny fahaizan'ny mpianatra miteny amin'ny fitenim-pirenena hafa
Ny vinavinanay dia ny hampianatra firesaka amin'ny teny vahiny maimaim-poana ho an'ny tanora ao Ambatofotsy Gara, izay atao ao amin'ny Mamelasoa High School. Satrinay raha hahay (Na tsy tonga lafatra ary) hiteny na farafaharatsiny mba ho zatra ny fiteny vahiny araka izay nofinidiny ny mpianatra mandrapahatapitry ny fiofanana.
Momba ny vina
Fiteny Anglisy
Ny andiany voalohany tato amin'ny English Club Mamelasoa dia nanomboka tamin'ny 29 Janoary 2023. Mbola mitohy hatramin'izao ny fianarana ka isaky ny Sabotsy amin'ny 8 ora maraina (Ora Madagasikara) ny fotoana ao amin'ny Mamelasoa High School. Ireto manaraka ireto no atao ao amin'ny English Club:
fampizarana ny mpianatra amin'ny fiteny Anglisy, ka ireto avy no atao amin'izany: miresaka amin'ny fiteny Anglish, mihaino sy mamakafaka tantara, ary milalao. Amin'ny faran'ny taom-pianarana dia asaina mampiranty lohahevitra izay nosafidiany ny mpianatra tsirairay (15 minitra eo ho eo no faharetan'io).
Mitsidika English Club hafa sy trano fitehirizam-boky.
Manasa vahiny avy any amin'ny toeran-kafa hitsidika ny English Club Mamelasoa ary hifanerasera amin'ny mpianatra.
Manasa vahiny avy amin'ny firenena miteny Anglish hitsidika ny English Club Mamelasoa.
Zaraina araka ny fari-pahazoany ny fiteny Anglisy ny mpianatra ary arakarak'izay koa no hanamboarana ny programa izay heverina ho mety aminy.
Ekipa
Sitrakay tokoa ny mpianatra raha manana fahaiza-miteny vahiny ampy hampisokatra lalana ho azy ireo.
Tanjona
Ny olona mandrafitra ny ekipa amin'izao fotoana izao dia tena azo antoka, ireto avy izy ireo:
Ramatoakely Ranaivomanana Salome, izay miasa amin'ny sehatry ny fanatsarana ny fambolena. Izy dia tena manana fo amin'ny fanampiana ny olona any amin'ny tontolo ambanivohitra hanatsarana ny fari-piainany. I Salome dia nahavita fianarana ny teny Anglisy tao amin'ny ETP (English Teaching Program).
Ramatoakely Ranaivomanana Valimbavaka Hosana dia manana Doctorat en Mathematiques avy ao amin'ny Oniversiten'ny Stellenbosch, Afrika Atsimo. Fito taona izao no nipetrahany tany Afrika Atsimo ary manana "niveau" ampy amin'ny fiteny Anglisy izy.
Fiantombohany
Efa nanomboka tamin'ny 29 Janoary 2023 ny asa ary mitohy hatramin'izao. Ny fiteny Anglisy no nanombohana azy.
Dingana manaraka
Irinay ny hampiofana amin'ny fiteny Frantsay ihany koa.
Fanampiana ilaina
Ireto zavatra manaraka ireto no ilain'ny sekoly mba hahatomombana ny fampianarana ho araka ny tokony ho izy:
Fitaovana: boky, tsaoka, spaonjy, radio(s), laptop(s)/solosaina, radio(s), tele, imprimante ary projecteur(s),
Vola atao karaman'ny mpampianatra, entina manasa vahiny ary ho ampiasain'ny mpianatra entina mitsidika toerana/bibliotheques.
Hanohana
Raha resy lahatra amin'ny asa ataonay ianao ka liana ny hanohana izany asa izany dia afaka manao izany ato.
Ny fanohananao dia manova ny fiainan'ireo tsy afa-manoitra ary isaoranay indrindra ny fandraisanao anjara amin'izany.




Miss Salome
Dr. Hosana
English Club Mamelasoa Manatsara ny fahaizanao miteny
News
Mr Silasy, a representative of Teachers'Resources Center (TRC)-DREN Analamanga visited Mamelasoa High Scholl on the 14th of March 2023. He gave some insight on TRC, and established a partnership between Mamelasoa English Club and TRC.
14/03/2023
03/08/2023
The English Club Mamelasoa visited TRC-DREN Analamanga on Thursday 03 August 2023. The students were divided into three groups, and each group was assigned a topic to search for. Hence, they were given 30 min to do some research, then they had to present on their topic afterwards.
Next, we visited Tahala Rarihasina where we've met with Dol'Aj who informed us on HAVATSA-UPEM and assowed us to read some poems, whether our own or someone else's. It was a great experience!
Before heading back to the bus stop, we visited some monuments at Andohalo. That is to break from the environment we used to and to take some pictures.
The day was full, informative and recreative at the same time.
Group 3
Miss Salome






Group 2


Group 1




Andohalo
Cathedral Andohalo


Teachers' Resources Center
A video of a student during the practice session.

27/09/2024
The third cohort of the English Club has started on the 27th of September 2024. We have a new member in the team, Miss Salome Ranaivomanana, who took over the duty of Mr Tafita Miangaly. We are grateful for what Tafita has done for the club and we warmly welcome Salome on board.


From left to right, Mr. David, Mr. Tafita and Mr. Silasy
