
Mamelasoa dia sekoly tsy miankina ao amin'ny Commune rurale Ambatofotsy Gara, Madagasikara. Mitondra fanabeazana tsara kalitao ho an'ny tanora no tena tanjonay.
Tantaran'ny Mamelasoa
Mamelasoa dia Lycee tsy miankina iray, 23.3km miala avy eo Analakely, Antananarivo, Madagasikara, raha manaraka ny RN7. Ny sekoly moa dia nosafidianay ho atao not-for-profit, izany hoe tsy ny tombony azon'ny tompon'ny sekoly no laharam-pahamehana fa ny fanabeazana ny tanora avy any amin'ny tontolo ambanivohitra.
Ny tena tanjon'ny sekoly dia ny hanabe ny tanora na ara-pahalalana, na ara-tsosialy, tsy miankina amin'ny toeram-pihaviany na ny fari-pananany.
Tamin'ny taona 2014 ny sekoly no nitsangana, ary hatramin'izay ka hatramin'ny taona 2024 dia miisa 1539 no isan'ny mpianatra efa nandalo tao ka 31 tamin'izy ireny no nanaraka fampianarana maimaim-poana. Tamin'ny taom-pianarana 2023-2024 dia 25 isa ny mpianatra tsy nampandoavina saram-pianarana. Nandritra izay taona maromaro nitsanganany izay dia 455 ny mpiadina nanala fanadinam-panjakana (BEPC sy BACC) ary 186 no afaka. Tanora 310 moa no nobeazina tao amin'ny sekoly nandritran'ny taom-pianarana 2023-2024 lasa teo.









Fomba fiasa
Teknolojia sy fanatsarana
Fiaraha-miasa amin'ny mponina manodidina
Amin'izao fotoana izao dia mbola solaitra be sy tsaoka no ampiasainay hampitana ny fahalalana. Irinay indrindra anefa ny hampiditra ny fampianarana "informatique de base" ho an'ny mpianatra.
Hatreto aloha dia mbola ny ankohonan'i Ranaivomanana David sy ny saram-pianarana aloan'ny mpianatra no mampihodina ny sekoly. Kanefa, maniry ny hitady famatsiam-bola avy amina fikambanana na olon-tsotra mitovy tanjona aminay izahay. Izahay ihany koa dia misokatra amin'ny fiaraha-miasa raha toa ka hita fa mahasoa izany.
Mpampianatra manana mari-pahaizana mifandraika amin'ny taranja ampianariny ihany no raisinay mampianatra ao amin'ny sekoly.
Tsy mihoatran'ny 4$ (20 000 Ar) isam-bolana ny saram-pianarana ao amin'ny sekoly. Izany dia natao satria tsapanay ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny. Na dia eo ary ny efa fahamoran'ny saram-pianarana dia mbola afaka mifampiraharaha tsara aminay ny ray aman-dreny ny amin'ny fotoana fandoavana azy satria izy ireo moa tsy mikarama isam-bolana toy ny mponina an-tanan-dehibe. Ny kamboty sasany ao amin'ny sekoly dia tsy mandoa saram-pianarana miankina amin'ny fari-piainan'ny mpitaiza azy.
Vola mihodina ao amin'ny sekoly
Ny Mamelasoa High School dia efa atokisan'ny mponina eny amin'ny manodidina tanteraka ary imasoanay ny hitazonana izany fifampitokisana eo amin'ny roa tonta izany.
Mpikambana raikitra




RANAIVOMANANA Hosana
I Hosana dia nahavita "Doctorat" tamin'ny sampam-pampianarana Matematika. Teny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso izy no nanomboka hatramin'ny nahazoany Master 1 ary nahazo vatsim-pianarana hanohy hatramin'ny "Doctorat" tao amin'ny Stellenbosch University, Afrika Atsimo kosa taorian'izay. Tsy lehibe teo anivon'ny ankohonana nanana ny ampy akory i Hosana ary mahalala tsara ny sakana ara-bola mila ihoarana raha te-handranto fahalalana. Nila niady mafy tamin'ny fihevitry ny fiaraha-monina sy ny sakana rehetra na ara-bola, na ara-pitaovana izy mba ahatrarany ny tanjony. I Hosana dia miandraikitra ny fitadiavana fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an'ny sekoly. Izy ihany koa no misahana ny fampandehanana ny "siteweb" an'ny sekoly, ary nanokatra ny "language laboratory".
RANAIVOMANANA Salome
I Salome dia "Ingenieure Agronome", manana Master 2 amin'ny sampana "Agriculture" avy ao amin'ny Ecole Superieure des Sciences Agronomique, Universite d'Ankatso. "Responsable Suivi et Evaluation" ao amina fikambanana iray ao Madagasikara izy amin'izao fotoana izao. Noho io fianarana noratoviny io dia mahalala tsara ny fombam-piaianana sy ny fari-piainan'ny mponina amin'ny tontolo ambanivohitra i Salome. Fanampin'izany dia manana traikefa manokana momba ny fitarihana vinan'asa sy atrik'asa izy, ary havanana tanteraka amin'ny fanaraha-maso atrik'asa iray. Izay fahaizan'i Salome izay no ampiasainy ao amin'ny sekoly, ary nanomboka nisahana ny "English Club Mamelasoa" ihany koa izy ny taona 2024.
email: queries@mamelasoa.com


RANAIVOMANANA David
I Mr David no tompon'ny sekoly sy mpitantana ny sekoly Mamelasoa High School amin'izao fotoana izao. Izy dia olona tena manana fandavan-tena ary manana fo ho an'ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina. Na tsy nanana ny ampy ary dia nalahelo indrindra ny fony raha nahita ny ankizy sy ny tanora tsy afaka nahazo ny fahalalana sahaza azy noho ny tsy fananana. Izany no nahatonga azy sy ny vadiny hanokatra ny Mamelasoa High School. Lehibe tany amin'ny ambanivohitr'i Zafimbazaha, Avarabohitra, Madagasikara, izay tsy lavitr'Ambatofotsy Gare i Mr David. Vao adolan-tsento izy dia tonga kamboty. Izany anefa tsy nanakana azy tsy hiezaka ka nitady ny fomba rehetra nahafahany nahazo ny Licence en Sciences Naturelles, avy ao amin'ny Oniversiten' Ankatso, Antananarivo, Madagasikara. Nanompo firenena (Service National) tany ambanivohitr'i Fandriana izy taorian'ny nahazoany ny Baccalaureat. Niasa tao amin'ny sekolim-panjakana CEG Tararivotra, ao Ambatofotsy Gare, Antananarivo, izy nandritra ny taona maro. Mpanolo-tsainan'ny Ben'ny tanana nandritran'ny 20 taona izy ary mbola lany ho mpanolo-tsaina indray amin'izao fotoana. Na dia maro aza ny sekoly mitsangana amin'iny faritra manodidina an'Ambatofotsy iny dia vitsy kosa no tena manaraka ny fandaharam-pianarana izay tapaky ny Minisiteran'ny fampianarana. Izany koa no antony iray tena goavana nisafidianan'i Mr David hanangana sekoly amin'iny faritra iny.
Raha manana hafatra ianao, na te-hifandray aminay manokana dia fenoy ny kitranotrano etsy amin'ny ilany ankavanana. Raha manana adiresy mailaka moa ianao dia tsara kokoa ny hanomezanao azy mba hanamora ny fifandraisanay aminao.